Ry rahalahy sy
anabavy TRB,
Toa ela tokoa
izay tsy nitafana tamintsika izay, koa an-kafaliana indray no ahafahana
miserasera aminareo rehetra amin’ny alalan’ity tranokala TRB ity.
Izao fotoana
izao ihany koa no anararaotanay birao miarahaba ireo ankizy sy tanora TRB
afa-panadinana rehetra. Isaorana mandrakariva ilay Nahary noho izany. Mino sy
manantena izahay fa tsy hijanona hatreo ny ezaka efa nataonareo fa hitojo
hatramin’ny farany mba ahafahanareo hamelomaso indray ity fikambanantsika ity.
Mbola manolotra
etoana ihany koa ny fisaorana anareo rehetra na ny ao anatiny na ivelan’izany
fikambanana izany ka mitondra fankeherezana, fanohanana ary torohevitra mahasoa
entina indrindra hampandroso ity fikambanana ity.
Tsy mitsahatra
izahy birao manentana hatrany antsika mianakavy, hanamafy orina ny
FIHAVAVANANA, FIFANKATIAVANA ary ny FIRAISAN-KINA. Ireo teny telo ireo no entintsika
mamaha ny olana rehetra sy hampiroboroboana ny fianakaviana. Hifanome tanana
hatrany isika na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Ifampitsinjo sy ifanohana
ihany koa satria ilaintsika izany fifampitsinjovana sy fifanohanana izany
indrindra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.
Izay sy izay ary
ry izy mianakavy no tafa fohy tian-katao. Mamerina ny firariantsoa ho antsika
rehetra. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra!